Ezekiel 34:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny rehefa eo anivon’ny ondriny izay efa niely izy, dia toy izany no hikarakarako ny ondriko sy hisarihako azy avy amin’ny toerana rehetra nielezany tamin’ny andro mandrahona sy feno haizim-pito.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Himasoako ny hanangona azy tahaka izay ataon’ny mpiandry amin’ny andro iparitahan’ny ondry. Izaho handeha haka azy ireny any amin’ny toerana rehetra izay niparitahany tamin’ny andro mandrahona sy maizim-pito.
Malagasy Bible 1865
Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny fikarakaran’ny mpiandry ny ondriny rehefa eo anivon’ny ondriny izay efa niely izy, dia toy izany no hikarakarako ny ondriko sy hisarihako azy avy amin’ny toerana rehetra nielezany tamin’ny andro mandrahona sy feno haizim-pito.
malagasy