Ezekiel 34:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy ary eny amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no ho tany hiandrasana azy; any no handriany amin’ny tany tsara ary eny amin’ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy; ary any an-tendrombohitra avon’i Israely no ho valany; any izy no handry amin’ny valan’ondry tsara, sy hihinana amin’ny tany be vilona, eny an-tendrombohitr’i Israely
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoentiko eny amin’ny tanim-bilona tsara izy, ka hanana kijàna eny an-tendrombohitra avo amin’i Israely. Any no hialany sasatra amin’ny kijàna tsara sy hiraofany amin’ny tanim-bilona milenodenoka.
Malagasy Bible 1865
Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny amin’ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy ary eny amin’ny tendrombohitra avon’ny Israely no ho tany hiandrasana azy; any no handriany amin’ny tany tsara ary eny amin’ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely.
malagasy
Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.[Heb. matavy]