Ezekiel 34:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny very dia hotadiaviko, ny diso lalana haveriko, ny naratra hotsaboiko, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako. Handrasako amin’ny fitondrana tsara ny ondriko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotadiaviko ny ondry very, haveriko izay nisaraka tamin’ny andiany, hotsaboiko izay naratra, hohatanjahiko izay marary, ary hokolokoloiko hatrany izay matavy sy matanjaka. Izaho no hiandry ny ondriko araka ny rariny.»
Malagasy Bible 1865
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny very dia hotadiaviko, ny diso lalana haveriko, ny naratra hotsaboiko, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako. Handrasako amin’ny fitondrana tsara ny ondriko.
malagasy
Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.