Ezekiel 34:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Israely! Eny, maminania ka lazao aminy, amin’ny mpiandry hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Israely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, maminania ny amin’ny mpiandry an’i Israely. Maminania, ka lazao aminy, dia amin’ireo mpiandry ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ny mpiandry an’i Israely, fa ny tenany ihany no nofahanan’izy ireo! Moa tsy ny ondry va no tokony hofahanan’ny mpiandry?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha- mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha- mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian’ondry va no tokony hokarakarainareo?
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Israely! Eny, maminania ka lazao aminy, amin’ny mpiandry hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny mpiandry ondrin’ny Israely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ny mpiandry?
malagasy
Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?