Ezekiel 34:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hamoa ny hazo any an-tsaha sady hahavokatra ny tany, ary handry fehizay amin’ny tany izy; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, rehefa tapahiko ny ziogany, ary hafahako amin’ny tanan’izay nampanompo azy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hazo any an-tsaha, hamoa; ny tany koa hahavokatra, ary izy ireo, handry feizay amin’ny taniny, dia ho fantany fa Iaveh Aho rehefa voatapako ny baran’ny jiogany ary afako tamin’ny tanan’ireo nampanompo azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin’ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan’ny mpanandevo azy izy. Amin’izay hoekeny fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hamoa ny hazo any an-tsaha sady hahavokatra ny tany, ary handry fehizay amin’ny tany izy; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, rehefa tapahiko ny ziogany, ary hafahako amin’ny tanan’izay nampanompo azy izy.
malagasy