Ezekiel 34:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy ho babon’ny Jentilisa na ho rembin’ny bibidia intsony izy fa handry fehizay, ary tsy hisy hampitahotra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny firenena tsy hamabo azy intsony; ny bibin’ny tany tsy hihinana azy intsony ary handry feizay, tsy hisy hanaitaitra azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ho babon’ny hafa firenena na ho rembin’ny bibidia intsony izy, fa honina am-pilaminana, ka tsy hisy hampatahotra azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy ho babon’ny Jentilisa* na ho rembin’ny bibidia intsony izy fa handry fehizay, ary tsy hisy hampitahotra azy.
malagasy
Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.