Ezekiel 34:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na nifehy izay tapaka ny tongony, na mamerina ny diso lalana, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny nanjakazakanareo taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tsy nanatanjaka ny malemy, tsy nitsabo ny marary, tsy namehy ny naratra, tsy namerina ny nania, tsy nitady ny very, fa nanapaka azy an-kalozana sy an-kasiahana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin’ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefànareo tamin’ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo.
Malagasy Bible 1865
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na nifehy izay tapaka ny tongony, na mamerina ny diso lalana, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny nanjakazakanareo taminy.
malagasy
Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.