Ezekiel 34:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny ondriko tonga babo sy ny ondriko tonga rembin’ny bibidia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, ary tsy nitady ny ondriko ny mpiandry fa ny mamahan-tena kosa no ataony ka tsy namahana ny ondriko,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - Noho ny ondriko navela hobaboina, noho ny ondriko zary remby ho an’ny biby dia rehetra fa tsy nisy mpiandry, sy noho ny mpiandriko tsy niahy ny ondriko, fa ny tenany ihany no fahanan’ireo mpiandry ireo, ary ny ondriko tsy mba nofahanany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian’ondriko ka lasan’ny mpangalatra sy zary rembin’ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy.
Malagasy Bible 1865
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny ondriko tonga babo sy ny ondriko tonga rembin’ny bibidia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, ary tsy nitady ny ondriko ny mpiandry fa ny mamahan-tena kosa no ataony ka tsy namahana ny ondriko,
malagasy