Ezekiel 35:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny nifalianao ny amin’ny lovan’ny taranak’Israely, satria tonga tany foana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Hataoko tonga tany foana ianao, ry tendrombohitra Seìra sy Edoma rehetra; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny nifalianao, ny amin’ny lovan’ny taranak’i Israely tamin’ny faharavàny, toy izany no hataoko aminao: ho rava ianao, ry tendrombohitra Seira, mbamin’i Idomea manontolo; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faly ianao nahita ny zaratanin’ny vahoaka Israely tonga taniefitra, koa toy izay nanjo azy no hataoko aminao: ho taniefitra ianao, ry tendrombohitr’i Sehîra, izany hoe ry Edôma manontolo. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.»
Malagasy Bible 1865
Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny nifalianao ny amin’ny lovan’ny taranak’Israely, satria tonga tany foana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Hataoko tonga tany foana ianao, ry tendrombohitra Seìra sy Edoma rehetra; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
malagasy