Ezekiel 35:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny fandrafianao hatry ny ela, sy ny nanoloranao ny Zanak’Israely ho fatin’ny sabatra tamin’ny andro nahitany loza, rehefa tonga tamin’ny fanaperany ny heloka,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ianao manao lolom-po tsy misy farany, sy nanolotra ny zanak’i Israely ho an’ny sabatra, tamin’ny andro nahitany loza, tamin’ny andron’ny faharatsiana farany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatry ny ela no nankahalanao ny Israelita. Tamin’ny fotoana naharesy azy, fony nihoa-pampana ny heloka vitany, dia nataonao ripaky ny ady izy.
Malagasy Bible 1865
Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin 'ny sabatra, fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny fandrafianao hatry ny ela, sy ny nanoloranao ny Zanak’Israely ho fatin’ny sabatra tamin’ny andro nahitany loza, rehefa tonga tamin’ny fanaperany ny heloka,
malagasy
Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin'ny sabatra, fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,[Heb. ho eo an-tànan']