Ezekiel 36:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hahamaro ny olona sy ny biby fiompy eny aminareo Aho ka hitombo sy hiteraka ireo; hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin’ny niandohanareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampitomboiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo; ka ho maro sy hitombo ireny; hataoko honenan’olona toy ny taloha ianareo. Hanao soa aminareo, mihoatra noho ny tamin’ny niandohanareo Aho; ka ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hohamaroiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo ka hitombo isa sy hiteraka. Ho betsaka tahaka ny taloha ny mponina ary hataoko mandroso kokoa noho ny fahizany. Amin’izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia hampitombo olona sy biby fiompy eny aminareo Aho, ka hitombo sy hiteraka ireo; Hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo, ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin'ny niandohanareo Aho; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hahamaro ny olona sy ny biby fiompy eny aminareo Aho ka hitombo sy hiteraka ireo; hametrahako mponina tahaka ny taloha any aminareo ary hanisy soa anareo mihoatra noho ny tamin’ny niandohanareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
malagasy