Ezekiel 36:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Israely oloko; dia handray anao ho fananany izy ka hahalasa anao ho lovany ary tsy hahalany fara azy intsony ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitondra olona ho eo aminareo Aho dia i Israely vahoakako, ka izy hanana anao; ho lovany ianao, ary tsy hahalany fara azy intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampivoivoy anareo ao amin’ny tany Aho, ry Israelita vahoakako. Haka azy ho fanananareo ianareo; dia ho lasanareo izy ka tsy hahalany fara anareo intsony.›
Malagasy Bible 1865
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Israely oloko; dia handray anao ho fananany izy ka hahalasa anao ho lovany ary tsy hahalany fara azy intsony ianao.
malagasy
Eny, hampivoivoy olona eny aminareo Aho, dia ny Isiraely oloko; Dia hanana anareo izy ka hahalasa anareo ho lovany, ary tsy hahalany fara azy intsony ianareo.[Heb. anao][Heb. ianao]