Ezekiel 36:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, ny taranak’Israely nonina tany amin’ny taniny dia nandoto izany tamin’ny fanaony sy tamin’ny asany; fa tahaka ny fahalotoan’ny vehivavy mararin’ny fadimbolana no fahalotoan’ny fanaony eo anatrehako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, ry zareo taranak’i Israely, fony izy nitoetra teo amin’ny taniny, dia nandoto azy, tamin’ny fitondran-tenany aman’asany; fa ny fitondran-tenan’izy ireo dia toy ny fahalotoan’ny vehivavy teo anatrehako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, fony mbola teo amin’ny taniny ny Israelita dia nandoto izany tamin’ny fitondrantenany sy ny asany. Eny, teo imasoko ny fitondrantenany dia naloto tahaka ny fadimbolan’ny vehivavy.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony eo anatrehako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, ny taranak’Israely nonina tany amin’ny taniny dia nandoto izany tamin’ny fanaony sy tamin’ny asany; fa tahaka ny fahalotoan’ny vehivavy mararin’ny fadimbolana no fahalotoan’ny fanaony eo anatrehako.
malagasy
Ry zanak'olona, ny taranak'Isiraely nonina tany amin'ny taniny, dia nandoto izany tamin'ny fanaony sy tamin'ny asany izy; fa tahaka ny fahalotoan'ny vehivavy mararin'ny fadim-bolana no fahalotoan'ny fanaony eo anatrehako.[Heb. lalany]