Ezekiel 36:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony tonga tany amin’ny firenena izay nalehany izy dia tonga fanamavoana ny anarako masina tamin’ny nilazan’ny olona azy hoe: Ireo no olon’NY TOMPO, ary avy tany amin’ny tanin’NY TOMPO no nivoahany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby tany amin’ny firenena nalehany izy ireo, dia nanala baraka ny Anarako Masina, fa izao no filazan’ny olona azy: «Ireo no olon’i Iaveh, avy any amin’ny taniny no nialany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tany amin’ireo firenen-kafa izay nalehany dia nozimbazimbainy ny anarako masina noho ny fahadisoany. Fa nolazain’ny olona hoe: ‹Vahoakan’ny TOMPO ireo, nefa voatery nandao ny taniny!›
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nony tonga tany amin'ny firenena izay nalehany izy, dia tonga fandotoana ny anarako masina tamin'ny nanaovan'ny olona azy hoe: Ireo no olon'i Jehovah, nefa niala tamin'ny tanin'i Jehovah izy.