Ezekiel 36:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hohamasiniko ny anarako lehibe izay nohamavoinareo tany amin’ny Jentilisa, dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, hoy NY TOMPO Andriamanitra, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ny ataoko aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hohamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baraka, eny amin’ny firenena nanalanareo baraka azy, dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Iaveh Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh, - rehefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason’ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin’izay dia hoeken’ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hohamasiniko ny anarako lehibe izay nohamavoinareo tany amin’ny Jentilisa, dia ho fantany fa Izaho no TOMPO, hoy NY TOMPO Andriamanitra, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ny ataoko aminareo.
malagasy