Ezekiel 36:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary ary tsy handefasako mosary intsony ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovonjeko ianareo ho afaka amin’ny lotonareo rehetra; hantsoiko ny vary, ary hataoko be dia be, ary tsy haniraka mosary aminareo intsony Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hovonjeko ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary ary tsy handefasako mosary intsony ianareo.
malagasy
Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo;