Ezekiel 36:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ny tany manodidina ka lasan’ny Jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka tonga ambentinteny amin’ny firenena,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany dia maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ny andravan’ny olona sy nanitsakitsahan’ny tongony anareo, hatraiza hatraiza, mba hahatongavanareo fananan’izay sisa amin’ny firenena, ary noho ianareo tonga fitenenan’ny vava mitsaontsaona, sy firesaka ratsin’ny olona;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry Ezekiela, ary ambarao amin’ny Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Tsapako fa ny tany manodidina dia nifofotra handrava sy nitsiriritra ireo tendrombohitr’i Israely; ka efa lasa fananan’ny firenen-kafa izy ary efa nataony oha-pitenenana sy faneso!›
Malagasy Bible 1865
Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia maminania ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin’ny tany manodidina ka lasan’ny Jentilisa* sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon’ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka tonga ambentinteny amin’ny firenena,
malagasy
Dia maminania, ka lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandravany anareo sy ny nisafoahany nanenjika anareo avy amin'ny tany manodidina, ka dia efa lasan'ny jentilisa sisa ho fananany ianareo, sady efa nataon'ny molotry ny mpibedibedy fitenenana ka efa ambentinteny amin'ny firenena,