Ezekiel 36:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra; aoka ho fantatrareo izany! Koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’Israely!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka aoka ho azonareo izany; aoka ho menatra sy hivoaramena ianareo, noho ny nataonareo, ry taranak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa aoka ho fantatrareo fa tsy noho ny aminareo no hanaovako an’izany, ry Israelita; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. Koa aoka hahamenatra sy hampangaihay anareo ny fitondrantenanareo, ry Israelita!
Malagasy Bible 1865
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra; aoka ho fantatrareo izany! Koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak’Israely!
malagasy
Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, hoy Jehovah Tompo aoka ho fantatrareo izany; koa menara sy mangaihaiza ianareo noho ny lalanareo, ry taranak'Isiraely.