Ezekiel 36:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao indray no mbola hataoko: Mbola hanaiky hotadiavin’ny taranak’Israely Aho mba hanaovako izao ho azy: Hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’izao koa Aho no mba hety hotadiavin’ny taranak’i Israely mba hanaovako izany ho fanasoavana azy: hohamaroiko toy ny biby fiompy ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Havelako hiantso vonjy amiko indray ny Israelita mba hanasoavako azy; ka hohamaroiko tahaka ny andianondry ny olony.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao indray no mbola hataoko: Mbola hanaiky hotadiavin’ny taranak’Israely Aho mba hanaovako izao ho azy: Hohamaroiko toy ny ondry ny olony.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mbola hotadiavin'ny taranak'Isiraely Aho amin'ny hanaovako izao ho azy; hohamaroiko toy ny ondry ny olony.Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.