Ezekiel 36:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny ondry aman’osy masina izay any Jerosalema amin’ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ny tanànany efa lao, amin’ny olona maro toy ny ondry aman’osy. Dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny andian’ondry masina, toy ny andian’ondry any Jerosalema, amin’ny fetiny lehibe, ny olona hanao andiany, hameno ny tanàna rava; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno biby natokana hatao sorona i Jerosalema taloha rehefa tonga ny fety manetriketrika, fa biby amin’andiany no nentina tao; ary ho maro toy izany koa ny olona honina indray ao an-tanànanareo izay rava ankehitriny. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Toy ny ondry aman'osy masina, izay any Jerosalema amin'ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan'ny tanànany efa lao amin'ny olona maro toy ny ondry aman'osy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny ondry aman’osy masina izay any Jerosalema amin’ny fotoam-pivavahana, dia toy izany no hahafenoan’ny tanànany efa lao, amin’ny olona maro toy ny ondry aman’osy. Dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
malagasy