Ezekiel 36:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra, ry tendrombohitry ny Israely: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka, ny lohasaha, ny korontam-bato ary ny tanàna aolo izay efa babo sy tonga fandatsa ho an’ny firenena sisa amin’ny manodidina,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany, ry tendrombohitr’i Israely, dia mihainoa ny tenin’ny Tompo Iaveh: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh amin’ny tendrombohitra sy havoana, amin’ny hantsan-driaka sy ny lohasaha, amin’ny toeran-dravarava mahalao monina sy amin’ny tanàna haolo, izay efa natolotra horobaina sy hihomehezan’ny sisa amin’ny firenena manodidina;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, ry tendrombohitr’i Israely, henoy ny teniko fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny tendrombohitra sy ny havoana, amin’ny renirano sy ny lohasaha, ary amin’ny toerana tonga korontam-bato sy ny tanànaaolo izay voaroba sy latsain’ny vahoaka manodidina.
Malagasy Bible 1865
Dia mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo, ry tendrombohitry ny Isiraely: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha ary amin'ny korontam-bato sy ny tanàna haolo, izay efa babo sy fandatsa ho an'ny firenena sisa amin'ny manodidina,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia mihainoa ny tenin’NY TOMPO Andriamanitra, ry tendrombohitry ny Israely: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka, ny lohasaha, ny korontam-bato ary ny tanàna aolo izay efa babo sy tonga fandatsa ho an’ny firenena sisa amin’ny manodidina,
malagasy