Ezekiel 36:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
eny, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny afon’ny fahasaro-piaroko tokoa no nitenenako namely ny firenena sisa sy ny Edoma rehetra izay nahalasa ny taniko ho fananany, tamin’ny fo feno fifaliana sy tamin’ny fanahy mamingavinga mba hangoronany azy ho babo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Eny, noho ny firehitry ny fahasaro-piaroko, no nitenenako namely izay sisa amin’ny firenena sy namely an’i Idomea manontolo izay nisazoka ny taniko ho fananany tamin’ny hafalian’ny fony rehetra sy tamin’ny fanesoan’ny fanahiny, hataony fandroba foana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Mianiana Aho fa mirehi-pahatezerana no miteny manohitra an’ireo firenen-kafa, indrindra fa i Edôma manontolo. Fo faly tokoa sy toe-panahy mamingavinga no nakany ny taniko ho fananany mba handrobany ny kijànany.›
Malagasy Bible 1865
Eny, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny afon'ny  fahasaro-piaroko no nitenenako tokoa Namely ny firenena sisa sy Edoma rehetra, Izay nahalasa ny taniko ho fananany Tamin'ny hafalian'ny fony tokoa sy tamin'ny fanahy mamingavinga, mba hangoronany azy ho babo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
eny, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny afon’ny fahasaro-piaroko tokoa no nitenenako namely ny firenena sisa sy ny Edoma rehetra izay nahalasa ny taniko ho fananany, tamin’ny fo feno fifaliana sy tamin’ny fanahy mamingavinga mba hangoronany azy ho babo.
malagasy