Ezekiel 36:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa maminania ny amin’ny tanin’ny Israely ka lazao amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka ary ny lohasaha hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, amin’ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no itenenako: Noho ny nitondranareo latsa avy tamin’ny firenena,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa noho izany maminania ianao ny amin’ny tanin’i Israely, ary lazao amin’ny tendrombohitra sy ny havoana, amin’ny hantsan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho miteny amin’ny fahasaro-piaroko amam-pahatezerako, satria ianareo nitondra ny latsa avy tamin’ny firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, ry Ezekiela, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny tanin’i Israely, ka ambarao amin’ny tendrombohitra sy ny havoana ary amin’ny renirano sy ny lohasaha fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Indro fa tezitra sy misafoaka Aho no miteny izao noho ny latsa natambesatry ny hafa firenena taminareo.
Malagasy Bible 1865
Koa maminania ny amin'ny tanin'ny Isiraely, ka lazao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: (Indro, tamin'ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no nitenenako): Noho ny nitondranareo latsa tamin'ny firenena,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa maminania ny amin’ny tanin’ny Israely ka lazao amin’ny tendrombohitra, ny havoana, ny lohasahan-driaka ary ny lohasaha hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, amin’ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako no itenenako: Noho ny nitondranareo latsa avy tamin’ny firenena,
malagasy