Ezekiel 37:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO, ary ny Fanahy no nitondran’NY TOMPO ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha iray feno taolana aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga tamiko ny tanan’i Iaveh ka nentin’i Iaveh nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin’ny tany lemaka feno taolana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny herin’ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran’ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin’ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana.
Malagasy Bible 1865
Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO, ary ny Fanahy no nitondran’NY TOMPO ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha iray feno taolana aho.
malagasy
[Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.