Ezekiel 37:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho ka nidiran’ny fofonaina ireo ary velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy: Tafika lehibe dia lehibe tokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naminany araka ny nandidiany ahy aho, ka niditra tamin’ireo ny fanahy, dia velona izy, sady nitsangana tamin’ny tongony; tafika lehibe, tena lehibe indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian’ny Tompo ahy aho. Koa nidiran’ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin’ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.
Malagasy Bible 1865
Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho ka nidiran’ny fofonaina ireo ary velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy: Tafika lehibe dia lehibe tokoa.
malagasy
Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.