Ezekiel 37:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no efa niteny sady nanatanteraka izany, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, sady homeko fitsaharana eo amin’ny taninareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh dia milaza sy manatanteraka koa.» - teny marin’i Iaveh.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin’izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany›. »
Malagasy Bible 1865
Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no efa niteny sady nanatanteraka izany, hoy NY TOMPO.
malagasy