Ezekiel 37:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: Ho an’ny Joda sy ho an’ny Zanak’Israely namany. Dia makà tapa-kazo iray hafa koa ka asio soratra hoe: Ho an’i Josefa, dia tapa-kazon’i Efraima izany, sy ho an’ny taranak’Israely namany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, makà hazo iray, asio soratra hoe: «Ho an’i Jodà sy ho an’ny zanak’i Israely tafakambana aminy.» Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: «Ho an’i Josefa; ka ho hazon’i Efraima sy ny taranak’i Israely rehetra tafakambana aminy izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: ‹I Joda sy ny Israelita amin’io fanjakana io.› Avy eo, makà tapa-kazo iray hafa ka asio soratra hoe: ‹I Jôsefa (na Efraîma) sy ny Israelita amin’io fanjakana io.›
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona*, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: Ho an’ny Joda sy ho an’ny Zanak’Israely namany. Dia makà tapa-kazo iray hafa koa ka asio soratra hoe: Ho an’i Josefa, dia tapa-kazon’i Efraima izany, sy ho an’ny taranak’Israely namany rehetra.
malagasy
Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.