Ezekiel 37:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’i Josefa izay eny an-tanan’i Efraima, sy ny fokon’ny Israely namany, ary hakambako ho eo amin’ny tapa-kazon’i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro fa alaiko ny hazon’i Josefa, eny an-tanan’i Efraima sy ny firenen’i Israely izay tafakambana aminy, ka hakambako amin’ny hazon’i Jodà izy, dia hataoko hazo iray ihany, sy ho iray tokoa eo an-tanako izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka hambaranao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Halaiko ny tapa-kazo iray izay mampiseho an’i Jôsefa sy ny Israelita ao aminy mba hatohiko amin’ilay mampiseho ny fanjakan’i Joda, dia hatambatro ho tapa-kazo iray izy roa ka hanjary iray ihany eo an-tanako.
Malagasy Bible 1865
dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa, izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’i Josefa izay eny an-tanan’i Efraima, sy ny fokon’ny Israely namany, ary hakambako ho eo amin’ny tapa-kazon’i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
malagasy