Ezekiel 37:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho no haka ny Zanak’Israely avy any amin’ny Jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka hoentiko any amin’ny taniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halaiko any amin’ny firenena nalehany, ny zanak’i Israely; hangoniko avy any rehetra any izy, dia hoentiko miverina eo amin’ny taniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ry Israelita, halaiko eo anivon’ny firenena izay nalehanareo ianareo, hangoniko avy any rehetra any ka haveriko ao an-tanindrazanareo.
Malagasy Bible 1865
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho no haka ny Zanak’Israely avy any amin’ny Jentilisa* izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka hoentiko any amin’ny taniny.
malagasy
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny: