Ezekiel 37:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary honina any amin’ny tany izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ny zafiny mandrakizay; ary i Davida mpanompoko no ho mpitarika azy mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko sy nonenan’ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary i Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary honenanareo ny tany izay nomeko an’i Jakôba mpanompoko sady efa nonenan’ireo razanareo. Ao no honenanareo hatrany, dia ny tenanareo sy ny zanakareo mbamin’ny taranakareo; ary i Davida mpanompoko no ho printsy filohanareo mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ary honina any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary honina any amin’ny tany izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ny zafiny mandrakizay; ary i Davida mpanompoko no ho mpitarika azy mandrakizay.
malagasy