Ezekiel 37:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hampiorim-ponenana azy sy hahamaro azy Aho sady hampiorina ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady hanao fanekem-pihavanana amin’izy ireo Aho, ka ho fanekena aminy mandrakizay izany; ary Izaho hanorina azy, hampitombo azy, ary hanangana ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanao fanekempihavanana aminareo Aho, dia fanekempihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.
Malagasy Bible 1865
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hampiorim-ponenana azy sy hahamaro azy Aho sady hampiorina ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
malagasy
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.