Ezekiel 37:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, Ianao no mahalala!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Izy tamiko: «Ry zanak’olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Iaveh Tompo ô, Ianao no mahalala!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe: –Ry ilay taranak’olombelona, moa mety ho velona indray ve ireo taola-maina ireo? Ka novaliako hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, Ianao irery ihany no mahalala.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona*, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, Ianao no mahalala!
malagasy
Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.