Ezekiel 37:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’olona, koa lazao amin’ny fofonaina hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Manatòna avy amin’ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo mba ho velona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy tamiko: «Maminania amin’ny fanahy; maminania, ry zanak’olona, ka lazao amin’ny fanahy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Avia, ry fanahy avy any amin’ny vazantany efatra; tsotsofy ireto olona voavono ireto, ary aoka ho velona izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: ‹Ry fofonaina, mandidy anao ny Tompo ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin’ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin’ireo faty ireo mba ho velona indray izy.›
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’olona, koa lazao amin’ny fofonaina hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Manatòna avy amin’ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo mba ho velona izy.
malagasy