Ezekiel 38:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hiteny hoe: Hiakatra hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda aho; hankany amin’izay mandry fehizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao hilaza hoe: «Hiakatra aho hamely izany tany misokatra izany, ho avy aho ho ao amin’ireo olona miadana sy mandry feizay ireo, izay samy manana fonenana tsy mimanda avy, tsy manana hidy, na vavahady akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanapa-kevitra ianao fa hiakatra hamely ireo olona finaritra miaina am-pilaminana avokoa ao amin’ny tany izay tsy mba misy tanàna voahodidina manda na manana vavahady mihidy.
Malagasy Bible 1865
ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin'izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hiteny hoe: Hiakatra hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda aho; hankany amin’izay mandry fehizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
malagasy