Ezekiel 38:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Sheba sy i Dedana ary ny mpivaro-mandehan’i Tarsisy rehetra mbamin’ireo lionany tanora rehetra dia hiteny aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Sabà sy i Debàna ary ny mpandranton’i Tarsisa mbamin’ireo liona tanorany rehetra, hanao aminao hoe: Tonga handroba va ianao? Nanangona ny miaramilanao va ianao, mba hanangona babo, hanala volafotsy sy volamena, hangorona biby fiompy aman-karena, ary hipaoka babo betsaka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanontany anao ny mponina ao Sebà sy Dedàna ary koa ireo mpandranto rehetra any Tarsisy na any amin’ireo tanàna akaikiny ka hanao hoe: ‹Moa handroba sy handrava ve no namorianao ny tafikao? Moa hangorona volafotsy sy volamena ary handroba biby fiompy sy fananana ka hahazo babo betsaka ve no nahatongavanao?›
Malagasy Bible 1865
Sheba sy Dedana ary ny mpandranton'i Tarsisy rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Sheba sy i Dedana ary ny mpivaro-mandehan’i Tarsisy rehetra mbamin’ireo lionany tanora rehetra dia hiteny aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
malagasy