Ezekiel 38:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary hiakatra hamely ny Israely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao. Any aoriana any no ho tonga izany. Hoentiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin’ny ataoko aminao, ry Goga!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hiakatra hamely an’i Israely vahoakako ianao, toy ny rahona hanarona ny tany. Any am-paran’ny andro any no hitondrako anao hamely ny taniko mba hahafantaran’ny firenena Ahy rehefa manamasina ny Tenako ao aminao Aho, ry Goga, eo imason’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanafika an’i Israely vahoakako ianao, ka hanarona ny taniny toy ny andian-drahona matevina. Any aoriana be any no hisehoan’izany. Haniraka anao hanafika ny taniko Aho, ry Gôga, mba hieken’ny hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina; ary ianao no fitaovana hanehoako izany eo imasony amin’ny hamelezako anao.
Malagasy Bible 1865
ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran'ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin'ny ataoko aminao, ry Goga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary hiakatra hamely ny Israely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao. Any aoriana any no ho tonga izany. Hoentiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin’ny ataoko aminao, ry Goga!
malagasy