Ezekiel 38:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin’ny fahiny, dia ny mpaminanin’ny Israely, izay naminany ela tamin’izany andro izany ny hampiakarako anao hamely azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ianao va no nolazaiko tamin’ny andro fahiny, tamin’ny vavan’ireo mpanompoko, ny mpaminanin’i Israely, izay naminany nandritra ny taona maro, tamin’izany andro izany, ny amin’ny hampiakarako anao hamely azy ireo?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ianao no ilay nambarako hatry ny fahiny elabe, fony Aho nandidy ireo mpanompoko, dia ny mpaminanin’i Israely, hilaza ny hafatro nandritra ny taona maro; ianao no nasaiko tonga hamely ny fireneny.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin'ny fahiny, dia ny mpaminanin'ny Isiraely, izay naminany ela tamin'izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin’ny fahiny, dia ny mpaminanin’ny Israely, izay naminany ela tamin’izany andro izany ny hampiakarako anao hamely azy?
malagasy