Ezekiel 38:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina, ny voromanidina, ny bibidia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoa ny fiakarana mideza, ary hirodana ny ampiantany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hazandrano ao an-dranomasina hangovitra eo anatrehako avokoa, mbamin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany, sy ny biby mandady rehetra mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; ny tendrombohitra hirodana, ny vatolampy hianjera; ary ny manda rehetra hikoa amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa na ny trondro any an-dranomasina na ny voro-manidina na ny bibidia na ny bibikely isan-karazany mihetsiketsika amin’ny tany na ny olombelona rehetra eny ambonin’ny tany dia samy hangorohoro eo anatrehako. Ny tendrombohitra hietry, ny harana hikoa ary ny manda hirodana.
Malagasy Bible 1865
ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina, ny voromanidina, ny bibidia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin’ny tany, ary ny olona rehetra ambonin’ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoa ny fiakarana mideza, ary hirodana ny ampiantany rehetra.
malagasy