Ezekiel 38:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitaritarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao ary hoentiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly izay samy mitafy marevaka, dia olona marobe mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hotarihiko ianao, hasiako farango ny valanoranonao, ary hoentiko mivoaka avokoa ianao sy ny tafikao rehetra, soavaly ama-mpitaingina azy, samy àry fitaovana tsara indrindra avokoa; miaramila maro, mitondra ampinga be aman’ampinga kely, samy mahay sabatra avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hasiako farango vy eo amin’ny valanoranonao mba hitarihako anao an-keriny. Hotereko hivoaka ny taninao ianao sy ny tafikao manontolo, dia ny soavaly sy ny mpitaingina azy samy mareva-pitafiana mbamin’ny miaramila marobe samy mirongo ampinga sy sabatra.
Malagasy Bible 1865
Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitaritarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao ary hoentiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly izay samy mitafy marevaka, dia olona marobe mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
malagasy