Ezekiel 38:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka andro maro dia hantsoina ianao; any aoriana any dia ho tonga any amin’ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ny sabatra ianao, dia ny tanin’ny olona izay novoriana avy tany amin’ny firenena maro, any amin’ny tendrombohitry ny Israely izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ny firenena izy ka mandry fehizay izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha afaka andro maro, hovangiana ianao; nony any am-paran’ny taona any dia ho avy ianao, hamely ny firenena afaka tamin’ny sabatra, nangonina avy eny amin’ny firenena maro, ho ao an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao nandritra ny ela, hamely ny firenena nampodina avy any amin’ny firenena, sy efa monina mandry feizay avokoa izy manontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary any aoriana any, rehefa afaka taona maromaro, dia ianao no hasaiko maka an-keriny ny tanin’i Israely. Fa rehefa afaka tamin’ny ady ny mponina tao, dia niala tamin’ny firenena maro nielezany ary novorîna teo an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao hatry ny ela. Fa rehefa navoaka avy tany amin’ireo firenen-kafa izy rehetra, dia niaina tamim-pilaminana.
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka andro maro dia hantsoina ianao; any aoriana any dia ho tonga any amin’ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ny sabatra ianao, dia ny tanin’ny olona izay novoriana avy tany amin’ny firenena maro, any amin’ny tendrombohitry ny Israely izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ny firenena izy ka mandry fehizay izy rehetra.
malagasy