Ezekiel 39:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ny hamelezana an’i Goga ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’i Rosy sy i Meseka ary i Tobala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, maminania ny hamelezana an’i Goga, ka lazao hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho ho avy hamely anao, ry Goga, mpanapaka lehiben’i Mosòka sy i Tobala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana an’i Gôga, ka ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ry Gôga, filoha faratampon’ny vahoakan’i Mesèka sy i Tobala.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona*, maminania ny hamelezana an’i Goga ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan’i Rosy sy i Meseka ary i Tobala.
malagasy
Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.