Ezekiel 39:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia homeko tany eo amin’ny Israely i Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan’ny mpandalo eo atsinanan’ny ranomasina, ka hanampin-dalana ny mpandalo izany; any no handevenana an’i Goga sy ny vahoakany marobe rehetra; ary ny anarany dia hatao hoe Lohasahan’ireo vahoaka maroben’i Goga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: I Goga homeko fitoerana izay isian’ny fasany, eo amin’i Israely, dia ny lohasahan’ny Mpandalo ao atsinanan’ny ranomasina, ary hanampin-dalana tsy halehan’ny mpandalo izany fasana izany. Eo no handevenana an’i Goga mbamin’ny vahoakabeny rehetra, ary lohasahan’i Hamôna-Gôga no hatao anaran’io fitoerana io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary amin’ny andro hahatongavan’izany, dia homeko toerana iray handevenana azy any Israely i Gôga, dia ny lohasahan’ny mpandalo ao atsinanan’ny Ranomasina Maty; ka hisakan-dalana ny mpandalo izany fandevenana azy eo izany. Any no handevenana an’i Gôga sy ny tafiny marobe manontolo. Ary hantsoina hoe «Lohasahan’ny tafika maroben’i Gôga» io toerana io.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia homeko tany eo amin’ny Israely i Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan’ny mpandalo eo atsinanan’ny ranomasina, ka hanampin-dalana ny mpandalo izany; any no handevenana an’i Goga sy ny vahoakany marobe rehetra; ary ny anarany dia hatao hoe Lohasahan’ireo vahoaka maroben’i Goga.
malagasy
Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.[Na: hampitampina orona]