Ezekiel 39:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hisy olona hotendrena hitety tsy mitsahatra ny tany ka handevina izay mbola tavela eny ambonin’ny tany, hanadiovana azy. Hikaroka mandritra ny fito volana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanendry olona izy ireo izay homena raharaha mba hitetitety ny tany, mandevina ny mpandalo izay sisa tavela teo ambonin’ny tany, - mba hanadiovany ny tany; rehefa afaka ny fito volana dia handeha hikaroka, ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa afaka fito volana, dia hisy olona hotendrena hitety tsy an-kitsahatra ny tany mba hanadio azy amin’ny fikarohana sy fandevenana ireo faty sisa tavela eny.
Malagasy Bible 1865
Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hisy olona hotendrena hitety tsy mitsahatra ny tany ka handevina izay mbola tavela eny ambonin’ny tany, hanadiovana azy. Hikaroka mandritra ny fito volana izy.
malagasy