Ezekiel 39:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa mandeha mitety ny tany ireo mpitety tany ka mahita taolan’olona dia hanangana marika eo anilany izy, mandra-pandevin’ny mpandevina izany ao amin’ny Lohasahan’ireo vahoaka maroben’i Goga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa mitety ny tany ireo olona ireo, raha misy mahita taolan’olona, dia hanangana famantarana eo anilany izy, mandra-pandevin’ny mpandevina azy, ao amin’ny lohasaha Hamôna-Gôga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitety ny tany izy ka raha misy mahita taolan’olona, dia hametraka antontam-bato ho marika eo anilany mba hiavian’ny mpandevina haka azy sy handevina azy ao amin’ny Lohasahan’ny tafika maroben’i Gôga.
Malagasy Bible 1865
ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa mandeha mitety ny tany ireo mpitety tany ka mahita taolan’olona dia hanangana marika eo anilany izy, mandra-pandevin’ny mpandevina izany ao amin’ny Lohasahan’ireo vahoaka maroben’i Goga.
malagasy
ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.