Ezekiel 39:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lazao amin’ny voromanidina rehetra sy ny bibidia rehetra hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin’ny manodidina ho amin’ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny amin’ny tendrombohitry ny Israely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo ra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lazao amin’ny voromanidina isan-karazany, mbamin’ny biby rehetra any an-tsaha hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ! Miangòna avy eny amin’ny manodidina eny, ho amin’ny sorona izay ataoko ho anareo, dia sorona lehibe any an-tendrombohitr’i Israely; hihinana nofo ianao sy hisotro ra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izao koa no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, antsoy ny voro-manidina rehetra sy ny bibidia rehetra, ka iteneno hoe: Mivoria eto avokoa avy any rehetra any ianareo, mba hahazo anjara amin’ny sorona izay omaniko ho anareo. Eny an-tendrombohitr’i Israely no hisy izany sorona lehibe izany, ka hihinananareo nofo sy hisotroanareo ra.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona, dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lazao amin’ny voromanidina rehetra sy ny bibidia rehetra hoe: Mivoria ianareo ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin’ny manodidina ho amin’ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny amin’ny tendrombohitry ny Israely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo ra.
malagasy