Ezekiel 39:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho fantatry ny Jentilisa fa ny heloky ny taranak’Israely no nahababo azy; fa satria nivadika Tamiko izy dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tanan’ny fahavalony, dia lavon-tsabatra izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ho fantatry ny firenena fa noho ny heloka nataon’ny zanak’i Israely, no nahalasan-ko babo azy, satria nivadika tamiko izy. Koa nanafina ny Tavako taminy Aho ary natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony, mba ho lavon-tsabatra izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ho takatr’ireo firenen-kafa fa matoa nentina ho babo ireo Israelita dia noho ny heloka nivadihany tamiko, hoy ny Tompo. Fa niafenako tava ireo, ka natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony mba ho faty an’ady izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho fantatry ny Jentilisa fa ny heloky ny taranak’Israely no nahababo azy; fa satria nivadika Tamiko izy dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tanan’ny fahavalony, dia lavon-tsabatra izy rehetra.
malagasy