Ezekiel 39:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ankehitriny dia haveriko ho toy ny teo aloha i Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’Israely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ny anarako masina Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ankehitriny, hampodiko ny babo amin’ny taranak’i Jakôba, hamindrako fo ny taranak’i Israely rehetra, ary hasehoko ny fahasaro-piaroko ny Anarako Masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Kanefa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ankehitriny dia hamindrako fo ny Israelita rehetra izay taranak’i Jakôba ka hampodiko avy amin’ny fahababoany; ary hotakîko ny hanajan’ny olona rehetra ny anarako masina.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ankehitriny dia haveriko ho toy ny teo aloha i Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak’Israely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin’ny anarako masina Aho.
malagasy