Ezekiel 39:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho fantany fa Izaho TOMPO no Andriamaniny amin’ny ampandehanako azy ho babo any amin’ny firenena sy amin’ny anangonako azy ho any amin’ny taniny ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ho fantany fa Iaveh Andriamaniny Aho, tamin’ny nitondrako azy ho babo any amin’ny firenena sy nanangonako azy indray eo amin’ny taniny; ary tsy hisy havelako hitoetra any intsony izy ireo, na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, rehefa hangoniko ho eo amin’ny taniny izy, ka tsy hisy havelako any amin’ireo firenena izay nanaovako sesitany azy na iray aza.
Malagasy Bible 1865
dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho fantany fa Izaho TOMPO no Andriamaniny amin’ny ampandehanako azy ho babo any amin’ny firenena sy amin’ny anangonako azy ho any amin’ny taniny ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.
malagasy
dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.