Ezekiel 39:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Any amin’ny tendrombohitry ny Israely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ny vorona mpihaza samihafa karazana rehetra sy ny bibidia ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitsingidina eny an-tendrombohitr’i Israely ianao, dia ianao sy ny antoko-miaramila rehetra, mbamin’ireo firenena hiaraka aminao; ny vorona mpihaza, ny vorona isan-karazany, mbamin’ny bibin’ny tany no hanolorako anao mba hohaniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho faty miampatrampatra eny an-tendrombohitr’i Israely ianao sy ny tafikao manontolo ary ireo firenena maro mpomba anao. Homeko hohanin’ireo vorona mpihaza isan-karazany sy ny bibidia ny fatinareo.
Malagasy Bible 1865
Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Any amin’ny tendrombohitry ny Israely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin’ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin’ny vorona mpihaza samihafa karazana rehetra sy ny bibidia ianao.
malagasy