Ezekiel 39:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin’ny Israely oloko; tsy havelako hamavoina intsony ny anarako masina; dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no TOMPO izay masina ao amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hataoko fantatra ny Anarako Masina, eo amin’i Israely vahoakako, ka tsy hoekeko hotsiratsiraina intsony ny Anarako Masina, dia ho fantatry ny firenena fa Iaveh Aho, ilay masina eo amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataoko izay hahalalan’i Israely vahoakako fa tena masina Aho ka tsy havelako hanazimbazimba Ahy intsony izy; amin’izay dia hoeken’ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Ilay Masina ao amin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin’ny Israely oloko; tsy havelako hamavoina intsony ny anarako masina; dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no TOMPO izay masina ao amin’ny Israely.
malagasy